Ny ANDANINY SY ANKILANY (NY Andri-Fara)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny Andaniny sy ny Ankilany

Zo no takiana ary tsy azo hafindra
Mangetana mafaitra ny tolona hiadiana.
Foana vetivety ilay hany nantenaina,
Rava tsy nisy nangaina tanteraka.

Jiro no takiana mba harehitra
Rano no tadiavina mba hosotroina.
Adino ilay karama efa vari-masaka,
Ny vatsim-pianarana tavela nitresaka.

Ny vahoaka efa noana mitady ho lavo
Ny fandrobana no indro fa nampanjakaina.
Tsy ekeko izany, raha mpitolona hitady laza,
Hanitsaka ny rariny hitadiavam-bola?
Misavorovoro japian’ny mpanao politika
Ny azy ny seza no tambin’ny tolona !,
Ny antsika sy ianao iantsoana tody…,
Raha maty aho aza mantesa rahavako.
O ! ry Dada sy Neny veloma ianareo… ;
Fa raha maty aho…,ho an’ny Tanindrazako.
Teny ratsy,Fihatsiana !Famonoana…Loza izany !
Tora-bato novaliana baomban-dranomaso,
Hatramin’ny zazamenavava entina mitolona ?
Very hasina ny fampianarana najoro
Tsy nisy olo-manga intsony ve !
Mifampiatsy teny ratsy sy botolo
Tsy araka izay lazaina eny an-kianja ;
Ny asa atao amin’ireny toeram-pitsaboana !
Mamelona ary ve sa ny hita fa mamono ?

Fantatra fa rehefa misy fitakiana
Tsy maintsy fanesorana botolo...
Ny mpitondra no hiafarana...?
Dia ho aiza Madagasikara.

Tanora no hoavin'ity Firenena
Tsy misy diso izany ary ekena
Tanora vonona sy vanona
Miaina am-pahendrena
Raha hitaky ny tsy rariny.

Tsy azo afangaro mantsy
Ny fitiavan-tanindrazana
Na ny ray sy reny izay hafarana ?
Raha izany tsy vonona ho maritiora .

Tariho ny lalana natomboka
Tsy maintsy hizorona ny fahafahana
Ampy izany ny kilalao somonga
Avelao hitraka ilay Nosindrazanay.

Ianao aza mampandry andrisa
Raha hitolona ho laza aleo tsy misy
Mitambara dia handresy ny mahery,
Isika izao tsy azon'iza hampitahorina.


10.11.2025 Ny Andri-Fara
Ampandrianomby….
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana - Fiainana
129 1
Mpakafy: ILAIMAILAKA
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0125