RE (NY Andri-Fara)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RE
Androany aho vao nahatsapa
Fa tsy azoazoko ny lasako.
Te hangina tsy hitroatra!
Kanefa nampitombo indray ny fahoriako.

Nahoana moa...?
Hay ve!tsy noferana ny baiko!?
Nekena hankatoa ny tsy tia!
Tsy maintsy adinoina ny tantara?

Indrisy mantsy fa na dia hanakoako
ho ren-danitra ny feonao hitoloko,
Tsy ahita valiny eo...,
Ny maty angaha hamaly anao.

Re androany vao maraina
Fa maro ireo tanora no lasa tsy nampoizina
Voampoizina tsy nahy, niniana novonoina,
Mangina ianao f'izay no marina.

Hangina aho,ianao tsy hangina
Na iza hanampina ny vavako.
Ny hany tsapako dia izao...,
Reko ao anatiko ny fisaonako mangina.


06.08.2025 Ny Andri-Fara
--------
Lien:
Catégorie : Eritreritra mandalo
177 1
Fans: SANAKERIB
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0128