FISARAHANA (Ny Andri - Fara)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FISARAHANAIndray harivariva izay
Sendra irery tao an-trano.
Nisy embona tsy nahy ,
Nameno ilay fanahiko .
Nitamberina ilay nenina
Dia ny fiainako fahiny .
Teo anilan-jazavavy iray ,
Notolorako fitiavana .
Ianao ilay ninia
Nandratra izato foko .
Nefa ny fitiavako...,
Tsy miova hatramin'izao .
Iny lanitra iny
Mbola ho avy ka hitsara .
Izay rehetra vitatsika ,
Voarakitra ho tantara .
Tadidiko ilay toky
Izay nomenao ahy taloha .
Eny , mbola nohajaiko !
Noho ny fitiavako anao .
Eny ! 'ty nofoko malemy
No hiandry anao any am-parany ,
Ny fitivako anao...,
Any ankoatra no andrasako .
Izay no hafatra apetrako
Fa ny teny omeko anao .
Ny dina izay natao ...,
Nahoana no nasiana fetrany .
Hisaraka isika noho ianao
Aoka tsy ho vonto-dranomaso .
Fa izao no sitrakao....,
Dia veloma no ataoko .
Iza! iza no nandrara
'lay fitiavako madio madio .
Ka nisalorako voaly mainty ;
Ho mariky ny alaheloko .
Ity foko mahonena
Izay mahantra sy mijaly .
Fa tsarovy kosa hoy aho ,
Fa mbola hisy fanenenana .
Asa na mbola hisy
'lay fotoana mbola hihaonana .
Mba afahako mamela...,
'ty helokao fahiny .
Androany anefa toa tsaroako
Ilay fiarahantsika niara-dia .
Isan'andro vaky izao...,
Teny am-pianaranao .
Eny...! eritreritra ny ahy
Eritreritra mangina .
Eritreritro androany ,
Noho ilay ankason'olon-tiako .
Tsy ho ela intsony angamba
Ilay fotoana izay hodiako.
Dia hilofika ny nofoko...,
'ty vatako mahantra .
Tsy hilamina ny saiko
Tsy ho tony izato foko .
Raha tsy ianao indray...,
No hiverina eo anilako .
Nefa rediredy ny ahy
F'efa izao no sitrakao .
Ka zakaiko samy irery ...,
Noho ilay ditranao .
Kanefa izao no hiangaviako .
Izay rehetra tsy nekena .
Dia aoka ho ahy irery ,
Fa efa izay no anjarako .
Aoka anefa ho fantatrao
F'izay rehetra alehanao .
Hitantara izay natrehanao ;
Fa tiako ianao no lasa indray .
06.11.02 Raphael Spartacus / Ny Andri-fara
--------
Rohy:
Sokajy :
Alahelo
Mpakafy:
SANAKERIB