Landihazo (Ny Kanto)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Atolotro ho an'i Ny...Landihazo
Herintaona tsy nalazo
No nijoroan’ilay fitia
Herintaoana landihazo
Toa mareforefo akia
Ireo vanin-taona efatra
Nosedraina nolalovana
Tsy misy afa-tsy ‘miresaka’
No hany tokana ala-olana
Taona maro eo anoloana
Ireo no hanjary volamena
Ny landihazon’ny fotoana
Tokin’ny fitiavana nomena
Ny landihazo no isalorana
Raha mafana na manorana
Koa raha manitsy ny ririnina
Ho eo foana aho ho fihinina
Herintaona raha zaza
Vao mianatra mamindra
Vao miteny badabada
Herintaoana raha fitia
Nianatra nifankahala
Mifandefitra, mitia
Ny Kanto, Quai St. Bernard. Parisy martsa 2005
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana
Hevitra mandeha
toetra
(
18/05/2005 21:33)
Lohataona na ririnina,
Tantely na nivakinina,
Na faly aho na laginina ...
Dia landihazo no fihinina !
Tantely na nivakinina,
Na faly aho na laginina ...
Dia landihazo no fihinina !