Sarotra (Ny Kanto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Setrin'ilay tononkalon'i Malalason " adala ve ny tia ?"

Tiako hijanona ianao
Tiako handeha ihany koa
Tsy hita izay hatao
Hamela sa hihazona ilay fo ?
Fa raha izao no hotohizana
Dia hisy famoizana
Hisy hiantso tody
Sy hilaza hoe mpamitaka

Nefa raha ilay tiako no mahay
Mitia ahy tahaka anao
Raha ny fotoana mety averina
Dia nihaoana taminao talohany
No faniry tena mamiko izao

Nefa…

Tsy afaka hitia roa ve ny fo ?
Eny roa na telo koa ?
Midika ve izany fa tsy tiana ilay taloha
Raha ny fo sy ny fitia no manandroa ?

Te-hijanona ianao
Te-handeha ihany koa
Tsy hitantsika izay hatao

Ny Kanto. Sarotra. 2004-06-17. 8h07. Fontenay sous bois.
--------
Rohy:
Sokajy : FITIAVANA
1029 2
Mpakafy: NyKanto - tsotra1
Hevitra mandeha
Malalason ( 17/06/2004 11:48)
tena misaotra be dia be r'ise a ! ekeko fa fanantenana tsy ho ahy ihany fa ho an'ny rehetra ny hanoy indray ny fitiavany nefa enga anie tsy ho toy ny ahy fa tena enjana zany hoe tsy maintsy manantena an'ilay solony vao2 raha sanatria ka miakatra ny soratra eo @ tantaranay, mbola te-hitafatafa @ise aho @ alalan'ny imailakako tsy efa any @nao ary i R.JO no tena anarako @ maha mpanoratra ahy saotra e !
Ketsa ( 09/07/2004 11:30)
Nisy haingampanahy kely mety hifanaraka @ ity tononkalonao ity. Ilay hoe "setrin'ilay tononkalo adala ve ny tia sy Sarotra "
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Kanto
Nampiditra : NyKanto
Daty : 17/06/2004 07:11
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143