Onjasoa (Panarato)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Onjasoa sy panarato
Samy tia zava-kanto
Izy lokanga, izaho valiha
Hifankatia sy hiara-dia

Nofy mamy, nofy lalina
Isan'andro, isan'alina
Ao an-tsaiko, ao am-po
Iantsoko anao ry Onjasoa

Eny revy sy vinany
No alefako mankany
Hisarika ny sainao
Panarato anjakao

Eny omaly ianao nijaly
Kivy sy tsy falifaly
Panarato tonga eto
Hanamaivana ny sento

Ho lasa ny orana sy varatra
Ny masoandro hampitsahatra
Ny alahelonao rehetra
Ho fahasambarana ts'isy fetra

Atsaharo ny alahelo
Mampilatsa-dranomaso
Panarato hitondra elo
Hitaty ny oran'ny ankaso


Na faly ianao, na tomany
Panarato eo ihany
Hizara ny rehetraretra
Tora-po sy hetaheta

Rano tsotra sy fitiavana
Omeko anao re rahavana
Hameno kibo sy fisainana
Anivon'ny tontolo iainana

Meteza ianao ry sombinaiko
Olon-tiko sy lalaiko
Hiara-dia , hiriaria
Tsy ho bobongolo ny fitia

Vinany sy vetsom-pitia
Alefako an-tarobia
Hilatsaka an-tsaina ho mby anaty
Fitia velona tsy ho faty


Embonembona sy hanina
No alefaso ho ahy raha manina
Dia ho avy eo anilanao
Panarato olom-bao

Panarato 18/07/2013
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1004 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Panarato
Nampiditra : panarato
Daty : 16/08/2013 06:39
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0134