Oran (Rabemanantsoa toavina na i ...tsoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Rehefa injay fa mandona ny alahelo,
Reko manantona tsimoramora.
Ny anatin’ny fo miha-feno dia feno,
dia fantatro indray fa tonga ilay ora.


Minitra vitsy matetim-pandalo;
Indraindray mihitatra ho ora maro.
Ao anatin’ny aizina ravahana kalo;
Mitandahatra miditra ireo karazan-tsiaro.


Dia roso ny dia, mandroso any aoriana.
Manao dia mianotra mitety ny lasa.
Tsiahy hafahafa, toa sento irina.
Tsy foy ho adinoina,tsy mety voafafa.

…Tsoa
05 aout 2004 Boissy St Léger,Fce
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
1859 2
Mpakafy: vetsoko - Arimalala
Hevitra mandeha
Malalason ( 12/01/2005 08:49)
mahafinaritra fa tohizo e! misy oram-pitia roa an! ny iray io antsainao io fa ny iray ranomaso hi hi hi hi
Malalalason
vetsoko ( 15/01/2005 22:09)
eny tokoa!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rabemanantsoa toavina na i ...tsoa
Nampiditra : hery
Daty : 20/08/2005 10:09
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147