Mba ampio (Ramiadanarivo fetraniaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
-Mba ampio aho ray olona hibata ny mavesatra
Manda ny hialofako ny zoron-trano efatra
Nazeram-piainana aho,tsy misy mba hanarina
Zovy re no hanampy,mba tiako ho fantarina
-Izaho mahantra ity,tsy tia harena akory
Fa dia tomany lava,ory tena ory
Ilay nisahiranako,iraho hankaty
Tsy tiany va ny anilako,f'izaho mankafy
-Tsy tanty fa mamely tokoa re ny hatsiaka
Takon'ity rahona ny andro mibaliaka
Tsy tantiko intsony fa mafy re ity
Andeha haka aina anjoron-trano ery
--------
Rohy:
923 1
Mpakafy: gladisch
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143