TSY HOHADINOIKO (Ravelojaona)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izay no sisa tsy voalaza,
Ny misaotra sy midera Anao, ry Tompo Ray lehibe,
Fa ny maraina mantsy izao, maika lava, misy aleha,
Na dia ny sakafo aza lasa zary tsisy sitraka,
Ary ny hariva indray, rerak’aina ka mifitsaka.
Noho ny hazakaza-dava.

Hany sisa tsy voateny,
Ilay hira izay fanao rehefa andro fitsaharana,
D’ilay hiran’ny finoana, kitro iray ifaharana,
Lasa moana, karankaina, maina molotra mangina,
Izany angaha no làlana eto ka tsy maintsy ihafiana?
Fa hoe fiainana hono ireny.

Saingy kosa tsy hohadinoiko,
Ny miresaka, mitafa, Aminao ry tsara indrindra,
Loharanon’ny fiainako, tsy miova, tsy mifindra,
Fa mananatra, miteny, manamafy ny finoana,
Tsy ho kivy fa hitràka, n’inon’inona midona,
Ny amiko sy Ilay Inoako.

Ravelojaona, 5 aprily 2002
--------
Rohy:
1925 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ravelojaona
Nampiditra : tsimanontanilahy
Daty : 26/06/2006 12:49
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102