Averina indray (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AVERINA INDRAY


Ianao mahalala na tsy hotantaraiko
Ilay ora mangidy,
Toa tranga tsy fino !
Leferina fotsiny ny adin’ny saiko,
Terena hanadino,
Zava –tsy zaka !
Ohary amin’ny hoe :
Vony nitsimoka, namaky ravina,
Nongotana faka,
Dia taiza no farany ?
Nandry tam –benja
Amin’ny valan –katsiaka
Fa narindrinao ilay varavarany !


Ianao mahalala, ary tokony hangoraka,
Fa ny ahy tsy safidy,
Ianao tiana niala,
Ka any amin’iza moa no hiantoraka
Sy hiadaladala ?
Na taiza, na taiza,
Dia niezaka foana mba nanary dia
Izay very sakaiza !
Ka inona moa ?
Tsy aleo ve hody amin’ny laoniny isika,
Hiombom –pitia
Fa ianao no taloha e ?



SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA ( 033 14 253 57)
Faribolana SANDRATRA Antananarivo
MANANKASINA- BETATAO/ Anjozorobe, faha 20 Aogositra 2003
--------
Rohy:
Sokajy : FITIAVANA
1356 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104