Ilaina ianao (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ILAINA IANAORaha toa ka ianao
No fanoitra hampilamina
Ity tany ity,
Ka mety ho hery;
Maninona moa
Raha samy mioitra
Hiombom-pitia
Hiady amin’ny fiainana ?
Dieny androany,
Ka velona ianao !
Dia aza anaovana
Fangalam –piery
‘Zay tokony hisainana.
Ka mijoroa !
Fa ianao raha vao dify
Tsy hita eto fotsiny;
Reo olon –drehetra
Mivelona ireo :
Hitady avokoa !
Ny adidy efao !
Fa ianao raha vao lasa
Tsy tazana intsony,
Dia tsarovy tsara;
Fa na mpiara –monina,
Na ny fiainana
Dia hitady anao !
Hizaha olon –tokana
Anatin’ny arivo
Izao rehetra izao.
Ary ianao...
Handatsa tena
Amin’ny isan’adidy
Tsy nisy natao
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA ( 033 14 253 57)
Faribolana SANDRATRA Antananarivo
SAF TSINJO Anjanahary, faha 24 Mey 2003
--------
Rohy:
Sokajy :
fiainana
Mpakafy:
sarondrahona
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : SARONDRAHONA RAMBOLAMANANANampiditra : sarondrahona
Daty : 17/07/2004 08:29