Kiry (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
KIRYHariva ilay tanàna tsy mba manan –teny firy :
Hariva mandry fotsy !
Hariva mamanalan’ny tafa kotra am-bohoka;
Soandriana miondana afy !
Matory io vohitra io
Fa tsy mety ho tapi –mandry,
Hariva sasa –miandry ny fararano be !!!
Hariva ilay tanàna tsy mba henonao fitafa :
Hariva mitanisa !
Hariva valabalaky ny asa mahazatra,
Tsindrian’ny visavisan’ny mbola hotadiavina;
Vesaran’adin-tsoritra !
Miato io vohitra io
Fa tsy mety ho afa –bizana,
Hariva am –pikirizana ny asa fivelomana !
Ka rehefa mifanitsy ny aizina ho tonga
Sy ny asa akaiky ho vita
Vao tena hariva mihitsy !
Hariva miaka –boanjo…!
Hariva anjoanjo…!
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA (Tél : 033 14 253 57)
Faribolana SANDRATRA Antananarivo
In – TANAN-DAVA
--------
Rohy:
Sokajy :
fiainana
Mpakafy:
sarondrahona
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : SARONDRAHONA RAMBOLAMANANANampiditra : sarondrahona
Daty : 04/06/2004 09:28