Rehefa...tsy lasa (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
REHEFA…TSY LASA

Tsy nisy nilaza… tsy nisy naheno
Nefa dia samy efa fantatr’i FENO

Manodina foana ry zareo any,
Manodina baolina ho any an –dakira !
Manodina ngonina ho any amin’ny hira !
Manova ny lanitra ho tonga tany,
Manodina foana ry zareo any!
Ka angamba ny antsika tsy hatao resa –be:
“Tsarovy ihany ny tany niaviana
Rehefa tsy lany ho VINANTONY ise !”

Manodina foana ny havanareo !
Manodina ny andro hiteraka orana !
Manodina hady ho lalan –kizorana;
Miandry ahy hitsotra, ho “resy” sy “leo !”
Manodina foana ny havanareo.
Nefa ny teniko, izaho efa handeha,
Dia hoe : “mba tsarovy ny nahabotrabotra
Rehefa tsy lany ho ZAODAHINY ise !”

Lasa àry aho fa izay no nandrasany :
Lasa amin’ny tohin’ny tolona indray !
Lasa amin’ny ady fanao hatrizay !
Fa any amin’ise moa no lalan’ny sasany.
Lasa àry aho fa izay no nandrasany !
Nefa averiko ihany ny hoe :
“Tsarovy ihany ny fihavanantsika
Raha sendra tsy tody amin’ny tanjony ise !”

Ny ahy eritreritra toy ny mahazatra:
Ny voro –manidinareo hosamborina !
Ny todim –pitiavanareo hitangorona !
Saingy ny zavatra mahavaky tratra,
Dia ny any aminy mihitsy no mihoatra ny fatra.
Kanefa tsy tsiniko ZOKY , raha hoe :
“Meteza ihany ho ANIROTRA aty
Raha sendra tsy iray fasana aminy ise !”

Tsy fomban’i FENO ny hoe kasakasa
Fa rehefa handeha izy, tsy maintsy lasa



SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA ( 033 14 253 57)
DO.COM.CYBER- Ankadifotsy, Antananarivo, faha 20 Jolay 2004
Faribolana SANDATRA - Antananarivo
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana
1640 1
Mpakafy: sarondrahona
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144