Sarona ady (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SARONA ADY

Tany miady !
Ady tany !
Ady an –trano !
Lena izao tontolo izao
Fa ao anatiny ao isika
No miara –milomano
Sy mifanorotoro hatrany :
Mifanamontsana tanteraka !
Tsy mety handry fahalemana
Ny Olombelona eto an –tany,
Fa milamina ny eo
Dia ady hafa indray no teraka !

Mandranitra ady ny ao IRAK ,
Miziriziry i AMERIKA,
Tsy maintsy rà no hakoriana !
Tsy misy intsony fandeferana,
F’izay rehetra manan –kery
Sy hoe tompom –pahefana,
Dia maimbo rà mirotoroto
Handrangaranga fiadiana !!!
Natao lalàna; tsisy vara,
Fa nohosena, nodakàna;
Tahaka izay nitranga foana
Teto MADAGASIKARA :

Firenena !
Fahafahana !
Fahamarinana !
Efa samy nitolomana
Sy niaretan’ny vahoaka
Teny an –dalambe nidinana,
Nitsenàna vavam –basy !
Fa saika herim –pamoretana
Sy zera baomba hatrany hatrany
No nanindriana MALAGASY.
Ny zon’ny tena notakiana
No lasa fako nirehetana !!!

Ka ny tontolo iainanao
Jereo fa lasa vava ady !

Ny fiarahamoninao
Jereo fa tototry ny ady

Ny ady sy ny fiainano
Lasa lalan –droa mivady

Izay mba hilaminanao ?
Hitady foana ianao… ka hitady !!!

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA ( 033 14 253 57)
Faribolana SANDRATRA Antananarivo
--------
Rohy:
995 1
Mpakafy: sarondrahona
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148