SOAMAHAMANINA (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Miha -ratsy ny fandehan'ny adyRaha izao zavatra hitako izao
Tia Tanindrazana ve
Dia ny tany no atao kilalao?
Ny tany no tsy lavadavahana
Dia mazava fa mbola hilalaovana,
Malagasy no nandatsa-bato
Dia Sinoa ve no hitondra fitaovana?
Lokaloka ny vonona hitondra
Dia izao ve no fahaleovan-tena?
Gaboraraka tsisy ohatr'izany
Ny fitantanana harem-pirenena
Famoretana foana isan'andro
fa tsisy fihainoana vahoaka;
Ny sinoa izao no tompon'ny tany
I SOAMAHAMANINA asaina mitsoaka !
Fitantanana tsy azoko mihitsy
Na volamena na haren-tsarobidy;
Alaina amboletra ny tany
Dia vahiny no masi-mandidy !
Nivadika ity ny tantara
Very ny fomba taloha
Mpanao gazety hanao ny asany
Dia mila alalana avy amin'ny sinoa ?
Tsy kinahin'ny zaza ho njola
Fa handevina ahitra ve hahafanina?
Avereno ny "quarante sept" e !
Hatombohy any SOAMAHAMANINA !!!
NY IRAKA RAMBOLAMANANA
in _SOA MAHAMANINA
--------
Rohy:
Sokajy :
Tanindrazana
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : SARONDRAHONA RAMBOLAMANANANampiditra : sarondrahona
Daty : 02/02/2018 13:39