Teraka (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TERAKA (Ho an’ny TAFARAY rehetra, Faritra AMBATOMANOINA)

Tena sarotra hadinoina
Ireny lasantsika ireny,
Tsy arakaraky ny omaly !
Sary tena manana aina
Eo imason’ny tantara
Sy ny vitrana mihaona !
Tsy nahamainty ny molaly
Izay nololohavintsika
Nifamoizana aman –taona.
Fa mitraka izao ny teny,
Lasa hirahiran –tsaina…
Satritsika tsy hizara !

Fa ny fiombonantsika
No lasa hery vaovao
Hampiaina fihavanana
Sy hampody ny taloha
Ka ho aina ankehitriny !
Tsy maintsy isika ihany aloha
No mitambatra ho mpinamana
Sy miara –milalao
Vao handroso ny vahiny !
Tsy maintsy isika ihany koa
No hiara –hamakivaky
Amin’iny lalana iny…

Fa tsaroako foana ianao
Tototry ny tabataba
Sy fahanginana mahalana !
Dia tsaroako koa ianao
Jaky mena , nihoson –jofo
Sady mbola very lalana !
Indrindra ianao rehefa hody :
Malahelohelo tava
Sy entin –tsento mitambalana;
Toy ny very fanafody !

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA ( 033 14 253 57)
06 Aprily 2003
Faribolana SANDRATRA Antananarivo
--------
Rohy:
Sokajy : Fampaherezana
1992 1
Mpakafy: sarondrahona
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0155