Veloma (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VELOMAIzaho izao handeha dia hametra –beloma :
Hametra –beloma aminareo SAKAIZA
Mpitsidika anay !
Hametra –beloma aminareo SAKAIZA
Mpamangy hatrizay !
Hametra –beloma aminareo notiavina
Nandrasan –ko tia
Fa mena masoandro efa akaiky hidify
Ity lalana ity !
Veloma daholo ny omaly rehetra nitafatafàna
Veloma daholo ny sangy rehetra namenao tanàna !
Veloma ny tsiky sy ireo hanihany
Fa tsisy hovantanina :
Dia aleo iny hilamina !
Izaho izao handeha ka hanao mampamangy :
Hanao mamapamangy aminareo sakaiza
Mpitafa amiko iny !
Hanao mampamangy aminareo sakaiza
Sasa –nandiny
Hanao mampamangy aminao mpiara –dia
Mpisasaka rasa
‘nareo mantsy sisa no hijianona eto
Fa izaho ity ho lasa !
Veloma daholo ny tariha mamy ho tadidy lalina
Veloma ny kalo sy ny hira rehetra nadoaka ny alina
Veloma ny horaka namaky havoana
Fa sioka efa resy :
Dia aleo iny hisesy !
Averiko indray,
Fa “rehefa i FENO no manao veloma :
Handeha izy izay !!!”
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA ( 033 14 253 57)
Beronono- Anjozorobe, 07 Aogositra 2001
Faribolana SANDRATRA Antananarivo
--------
Rohy:
Sokajy :
Fahatsiarovana
Mpakafy:
sarondrahona - Malalason
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : SARONDRAHONA RAMBOLAMANANANampiditra : sarondrahona
Daty : 16/06/2004 11:01