DIA LASA INDRAY IANAO (SCOTLANDYARD)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
DIA LASA INDRAY IANAO
Dia lasa indray ianao, ka miontana ny foko,
Dia iny indray aho, halahelo an-tsokosoko
Dia lasa indray ianao, hamonjy tokantrano
Dia izaho no tavela eto, hamarana ny angano

Dia lasa indray ianao, hamonjy any an-tanàna
Dia vita indray ny antsika, ilay fihaonana raràna
Dia lasa indray ianao, hamonjy ny fandriany
Dia izaho indray tonga saina, ndao fa ts’isy tsiny

Dia lasa indray ianao, hiverina any an-toerany,
Ny fihaonantsika ho avy, avy aminao no erany
Dia lasa izany ianao, veloma vetivety,
Izaho moa eto foana, tongava rehefa mety

Dia lasa indray ianao, hangina indray ny foko,
Izaho tsy afa-manoatra, satria tsinona tsy zoko,
Dia lasa indray ianao, veloma ilay isika,
Izay vao ren’ny aiko, ny andro hoe mangatsiaka
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
2192 0
Hevitra mandeha
tiff ( 14/03/2009 12:48)
tena tsara le tonokalo e fa le hevitra fonosiny no so d ahitana angano
mangidy ( 17/03/2009 14:51)
snif snif Ny any lazaiko anao: raha misy alahelo izay mamelovelo de ny hirako Hiraina ary ny ho avy andrandraina.
Fa raha io Fitiavana io? izao ihany no tadidio : fa ny Fo raha mitambatra satry foana iara - tsambatra
scotlandyard ( 24/03/2009 09:31)
ny angano izay tsy hitako
tamin ny ditra vitako
dia efa tsy angano
fa resaka mamo hihihi
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : SCOTLANDYARD
Nampiditra : scotlandyard
Daty : 10/03/2009 21:39
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138