HAFATRA FARANY (singam-pitiasaropady)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
#HAFATRA_FARANY ?

Aza tapohina aho raha tsy hitia intsony ianao
Fa lazao mialoha hoe isika hifandao
Efa haiko mantsy hoe...
ianao efa te hiala
Ka raha sitrakao malala

Alohan'ny hialanao tsy ho olon-tiako intsony
Mialohan'ny hametrahanao veloma mandramaty

Dia lazao ahy mialoha
Hoe ianao tsy ho ahy intsony

Dia fara fiangaviana
Mialohan'ny fara oroka ho veloma
Dia eo lazao ahy hoe...
Tsy hiaona intsony ?

Na aza mety hitondra ratra
Tsy ho vitram-panafody
Dia lazao ahy mialoha
Mba ampihomanako ny foko
Hoe ianao tsy ho ahy intsony.

#SINGAM_PITIA_SAROPADY ❤️✍?

11012026 20:09'
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
162 1
Mpakafy: ZavonaRakoto
Hevitra mandeha
Azrael666 ( 27/01/2026 10:48)
Iza re iantefan'izany e?
ZavonaRakoto ( 29/01/2026 07:08)
"IZAO NO FARA-TENINY"
io malalako io raha sendra hitanao dia...
Arabao finaritra,resaho maharitraritra dia izao lazaina:
Reko sombinaina ny hafatrao rehetra,
efa tafatoetra tam-poko ny antsanao;
Saingy indrisy izao,tsy afaka aho manoatra!

Hinoako fa ho tohina ny fony,eny ekeko!
Tsy maintsy ho tomany ny hafany ho reko,
Fa hazavao ho hainy, fantsiho mba ho ao an-tsainy,
Fa tiako noho ny tiako ny fony,eny ny ainy!

asa aloha malala a! Sedra angamba izao,
Tsy sanatria akory valin'ny natao fa...
raha ny tena marina tsy azoko hiolahana,
mafimafy aty vao mba mahita fahana hiresahantsika,
Fa aza ianao fa...izaho aty tsy miova

Zavona Rakoto 29 Janoary 2026
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : singam-pitiasaropady
Nampiditra : SingampitiaSaropady
Daty : 24/01/2026 12:27
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0134