ADY NY FIAINANA (SOLIMAH)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
"Lalina ity Ramatoa a",Hoy ralehilahy raha nisento.
Ka ho afaka ho aiza ary moa e!
Iareto izay iainantsika eto.
Ekena fa mafy ny tolona,
Henjana , mila tsy ho aritra.
Fa iaino izay iainan'ny olona.
Izao angaha no anjara voafaritra!
Miketrika ihany kinanjo
mafonja ny bao eo an-tsoroka.
Tsapako efa osa ny ranjo,
Mila tsy hahazaka sakoroka*.
Dia aiza ny lalan-kizorana?
Hatraiza no fetran'itony?
Ny an-tanana tsy azo votsorana ,
Mitady tsy ho tohitra intsony.
Ady ny fiainana an-tany,
Gidra-pamindra tsy laitra.
Sedrao fa izay any dia any e!
Mikatroka aloha rehefa taitra.
.....S O L I M A H ....."01 Jolay 2025"
--------
Rohy:
Sokajy :
Fiainana
Mpakafy:
SOLIMAH
