FA NA DIA HIADIANA (SOLIMAH)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ilay jiolahy nitsoaka sy niery,
Na koa sendra nanao habibiana,
Fomba fiasa efa lany tsianjery.
Dia mandeha ny fanadihadiana!

Halatralatra kely iva razana
no azo an-tanana ka nahiahiana.
Ireo polisy ireo mihidy vazana :
Rehefa anaty fanadihadiana.

Harom-paosy na sinto-mahery,
Na razoky nania familiana,
Efa feon-kira hain'ny mpijery
ilay miandrandra fanadihadiana.

Rapa-dango ny harem-pirenena,
Ny aim-bahoaka no zary ikipiana,
Afa-drakotra ireo volamena;
Fa mandeha ny fanadihadiana.

Firifiry aza ireo herisetra
sy mosavy efa toy ny niniana!
Saingy fanina ny olon-drehetra.
Mitavandra fanadihadiana.

Tranga ahoana no voahadihady?
Aiza ho aiza ny vokatr'izany?
Rehefa iza no avarina an-kady,
Rehefa iza no alefa mankany?

Izay nisedra fanadihadiana
ka voapanga fa tena hoe diso,
Dia aza odianareo any ikipiana,
Fa hanjaka ny sera masiso.

Ireo fanadihadiana hatrizay
misy very any anaty birao.
Asa loatra hoe trondro sa voay
fa toa afaka fotsiny izao.

Fa na dia hiadiana isan'ora
ny haratsiana fanaon'ny jiolahy?
Ny kolikoly sakaiza ialao mora
fa manjary manimba fanahy.

......S O L I M A H......
--------
Rohy:
Sokajy : Fiaraha-monina
51 1
Mpakafy: SOLIMAH
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : SOLIMAH
Nampiditra : SOLIMAH
Daty : 04/07/2026 18:53
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0113