FIARAHA-MITANTANA (SOLIMAH)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tolona ity dia iaraha-mitaky...!
Iaraha-manitsaka aloha ny arabe.
Ny andro mafana, ny loha efa vaky.
Mifanome tanana ireo ramose...!

Endrey izany tolona iaraha-mitantana!
Miara-mamindra sy miara-mijanona.
Tsy misy ankolafin'ny avara-patana.
Ianareo marina ilay olombanona.

Iray ny finoana, dia iray ny batisa,
Iray ny firehana mety tsy hateza.
Firaisana antselika mety hokikisan'ny
toerana ambony omban'ady seza.

Androany ianareo no miray tadim-poitra,
Mitaona vahoaka hoviraviraina.
Androany ianareo no miangavy fanoitra,
Fa ho avy koa ny andro hivadihan'ny saina.

Ho azonareo izany rova sy lapa,
Angaha ianareo moa hijery vahoaka.
Afaka ianao dia tsy te hahatsapa
ny aretin-dragasy any anaty kapoaka.

Saingy izay diso eto mora tsiniana,
Mora alikaina amin'ny ota natao.
Raha mety, dia angòny ny fianakaviana,
Antsoy hiara-dia amin'ny akamanao.

..S O L I M A H ..
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
21 1
Mpakafy: SOLIMAH
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : SOLIMAH
Nampiditra : SOLIMAH
Daty : 18/08/2026 18:39
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0135