LOKON'NY FO MIFANDRAY (SOLIMAH)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misy fotoana ahatsapana hoe miaina fitia sora-javona.
Miaritra ilay avonavona
afitsoky ny olo-malala.
Eo ilay hoe izay tia adala.
Ekena izay eo rehefa tiana!
Iaretana izay habibiana,
Iainana izay herisetra
sy filam-boatsiary rehetra.
Fa andaniny kosa , mazana
dia misy ny diary matsiro,
sy anaovam-beloma ny jiro
Mamiratra tara-pilàna.
Eo ny fitia no mafana!
Miainga ny tosika anaty
sy fihetseham-po toa tsy ho faty.
Manento ilay emboka manitra:
"Sosona folon' ny lanitra".
Izany no sary sy lokon'ny
tiana sy tia mifanjohy.
Mbetika toa raikipohy,
Fa mbetika areti-mandoza.
Sahala amin'ny endin-kitoza
ka mila tsakoina maharitra.
Habaka mila voafaritra,
Entona mila amboloina,
Aretina saro-tsaboina.
Atrehin'ny roa sy ny antokon'
ny manana fo mifandray :
Ny voadin'ny mandrakizay
sy fetra tsy maintsy faranana.
Anjara izay efa eo an-tanana.
Fa ho an'ireo mbola tsy roboka?
Fantaro f'andrao hazo boboka
no zara hiankinan'ny fo.
Hirodana izy io rehefa lò.
..... S O L I M A H ....
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana
Mpakafy:
SOLIMAH
