NATAKALONY (SOLIMAH)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Natakalony vorom-bazaha
ny anabavin'ise ry Balita a!
Nidifiany ny loko tantsaha,
Ary aleony nihoatra any am-pita.

Nodakainy ny laka-nitondra,
Loharano nipoiram-pitiavana.
Nitogaigy teo IkalaSahondra,
Nangaihay fa voasetrim-pandavana.

Natakalony anjely vaovao
ny anabavinareo ara-nofo.
Izy kosa nanova lalao,
Hanorenany indray ny solofony.

Sakodiavatra ihany ry bavy,
Saingy daka tsy nahy no nahazo.
Velon-tsento fa vita matavy!
Rotidrotika ilay voninkazo.

SOLIMAH
©05/07/19®
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
97 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : SOLIMAH
Nampiditra : SOLIMAH
Daty : 05/07/2026 06:25
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0118