NY AMIKO (SOLIMAH)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY AMIKO
Norefesinao ny halavako,
Fantatrao ny tombatombany,
Fa ny refin'ny fitiavako;
Tsy azonao ny mombamombany.
Zava-miafina ato am-poko
raha ny fatran'ny fitia!
Manko miovaova loko,
Hita ao ny eny sy ny tsia.
Ny amiko mizara telo :
Nofo, aina sy fanahy!
Misy kianjan'alahelo,
Misy ny efitry ny ahiahy.
Ny ara-batako no vainga
azonao tsaraina ivelany,
Fa ny foko kosa, lainga
raha toa hainao ny elanelany.
Rakotr'ady anatiny ao,
Feno tsiky zary nofy,
Fa ny kajikajinao
avy hatrany dia totofy.
Na dia mila maminany,
Tsy afaka mamisavisa!
Ahy ny foko ,irery ihany
ny afobe sy paradisa.
Sombiny amin'ny fahavelomako
no azonao alaina sary,
Ny ankabeazany baraingo;
Lainga ho an'ny be kabary.
Lotika aho matoa sorena,
Miseho ivelany izy ireny!
Ampahany amin'ny vatan-tena
ireo fihetsika sy teny.
Amin'izay fotoana izay?
Tsy azo afenina izay miafina.
Any am-pejy hafa indray
ny toetra hafa vao tarafina.

....... S O L I M A H......
14-07-2020
--------
Rohy:
10 1
Mpakafy: SOLIMAH
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : SOLIMAH
Nampiditra : SOLIMAH
Daty : 14/07/2026 15:00
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0146