VARATRA (SOLIMAH)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misy nofy nofihinin'
ireo nofy tena nisy!
Misy sary nobanjinin'
ireo aloky ny indrisy.
Misy kalo nokaloin'
ireo andinin-kira moana.
May ivelany sy kila,
Mandra-piavin'ny fotoana.

Misy faritra voarara,
Anaty fetra mena loko.
Ny fizotran'ny tantara
no misakana ny foko.
Misy varatra sy havandra,
Misy rivo-misafoto,
Tsy ahafahana miandrandra
anaty fiainan-drotoroto.

Misy izao sy izao mitranga,
Saingy tankina ny maro.
Misaritaka an-tsaranga,
Sy hakiviana mifangaro.
Misy loto, misy diky,
Misy fofona tsy zaka,...
Mbola maro no mitsiky,
Misy te ho tompon-daka.

.....S O L I M A H .....
03/07/23
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy
103 1
Fans: SOLIMAH
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0121