! (SOLIMAH)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Amin'ny ora fisandratan'ny fitiavan-tanindrazana :Eo no tena tsapanao fa misy ireo avara-patana.
Misy kosa ireo saranga sokajiana hojinjaina.
Eo no tena mahatsapa , eo ianao vao tonga saina.
Ho an'ireo minia mikipy ho tamin'ny tolona nitsefotra?
Zary feom-baliha ho azy na dia varatra mirefotra.
Fa ny fery sy ny ratran'ireo niady teny an-kianja?
Maimbo rainkona ao am-pony, mihoatra noho ny fofom-banja.
S O L I M A H
27 Septambra 2026
--------
Rohy:
Sokajy :
Tanindrazana
Mpakafy:
SOLIMAH
