ZOTRA FAHAFIRY ? (SOLIMAH)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tapitra voatetin'ny ranomaintinaoizao tontolo izao ;
Ny habakaba-manga,
Ny loko sy saranga,
Ny tolona sy ny ady ifanaovan'ny mpivady
dia tapitra voatetin'ny soratra poeta.
Impiry loatra ireny karazam-bikan-teny
no hivadika ho angovo,
Ho solika fitovo...?
Fotsiny tsy ho rano fitantarana angano,
Fa ho aina sy fanoitran'ny loko izay narafiny.
Inoana hisy vokany ny teny izay nafafin'
ny soratra poeta.
Angamba tsy dia hay na zotra fahafiry
no fiara fitateran'ny penina azy ireny.
Fintina amboletra fisainan'ny rehetra
ny gadona sy paika,
Dia raisina maimaika hoe :
Kanto sady lafatra...!
Faingo tsy mitohy ireo ako avy amin'ny hafatra am-pon'ny sora-miaina.
Toa voninkazo moana mitsiry an-jaridaina ,
Dia zara raha voatsidika.
...... S O L I M A H ....
30-06-2021
--------
Rohy:
Sokajy :
Aingam-panahy
Mpakafy:
SOLIMAH
