Isaorako Andriamanitra (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ISAORAKO ANDRIAMANITRA

Isaorako Andriamanitra nitantana ny lasako
Nanolotra ny hery ho ampy hovelomako
Ka raha ho avy ny ora hidirako amin'ny fasako
Ny herin' Izy irery no lamba ionkonako

Isaorako Andriamanitra nanolotra fitia
Nahafahako nanitsy sy nitandrina ny diako
Dia Izy ihany koa no isaorako satria
Nameno ho lavorary ireo ora nifaliako


Isaorako Andriamanitra nanampy ahy hatrany
Nanampy nampahery tamin'ny ady tamin'ny fiainako
Nitsetra sy nangoraka raha nisy ireo tomany
Isaorako Andriamanitra nihaino ireo tarainako


Isaorako Andriamanitra nanome ireo hery
Namela ny hadisoako sy nanadio fanahy
Isaorako Andriamanitra nanomba sy nijery
Hay Izy irery ihany, ilay mahavonjy ahy.


Vonjisoa Andjanirina
--------
Rohy:
Sokajy : Fiderana - Vavaka
369 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0159