TSY MISY (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))

Nantsain'i hery
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy misy. izay poety tsy manankolazaina anaty fahoriana
Fa tsangambato iray tsaroany foana foana, mandriatra ny fisiany
Iny sedra iny, dia
Nataony tononkalo, ahiditra diary, ireny rehetra ireny
Sady ankalazainy amin'ny endrika milanto, mampiasa sariteny
Dia voasoratra iny


Ny poety koa, no afaka manova ny fiainany ho soratra
Dia izy irery ihany, satria dia izy koa, no antsoina hoe mpanoratra
Ankehitriny izao
Fa akory tsy voafetran'ny ranomainty ihany ny vetso sy eritreriny
Fa zay kely ananany, tsapany sy takany dia indro fa nateriny
Hivelomanao


Fa mbola ny poety no irery hany manana, fijery hafa kely
Miavaka amin'ny maro amin'ny zavatra voalaza, na soratra na teny
Satria haingony fatratra
Ny poety no mamefy ny fiainanao ho kanto sy feno fahendrena
Ka aza akory lavina, fa fiainantsoa ho anao ny zavatra kendreny
Mikolo anao ho lafatra



Andjanirina Vonjisoa
--------
Rohy:
620 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146