RAHA AZOKO NATAO... (TIANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAHA AZOKO NATAO...

Raha azoko natao
ny nampionona ny saiko
nampandry ny eritreritro
sy nampitony koa ny foko
tamin'javatra tsy haiko
mpampitombo ny ahiahiko
dia efa ela aho no sambatra
Efa ela aho no niadana
Saingy indrisy tsy mba haiko
Raha azoko natao
ny nisolo tena anao
tao anatin'ny lahasa
izay tokony ho voarindra
Anatin'ny fotoana fohy
sy ny fitsinjaràn'ny taona
Nefa nolalaovinao
Nisangianao mandavataona
Efa ela izao no foana
izao gaboraraka eto izao
Saingy indrisy tsy ho arako
Raha azoko natao
ny nangina tsotr'izao
tamin'ny zavatra tsy rariny
nefa nazahoan'ny sasany
Harena sarintsariny
Nefa na izany maminy
Dia novonoiko ny eritreritro
Novaiko koa ny rariny
Saingy...
indrisy...
anefa...
na azoko natao aza
ireo rehetra ireo
Ny marina tsy maty
Fa mikikiky foana anaty

TIANA
--------
Rohy:
Sokajy : Ahiahy - fananarana
1218 1
Mpakafy: Tianarilala
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : TIANA
Nampiditra : tianarilala
Daty : 18/07/2014 12:24
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014