Nofy ! (TSILOKO Mahadiny)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nofy !

Nofiko, hono, f' ireny olon-droa
no niara-nitosy sy nifampitantana
Dia samy sariaka sy faly tokoa
F' eo anivon' ny fahatanoràna ny vatana...!
...Tapaka anefa 'lay nofiko avy eo
Nitsaha-tsy voky ilay torimaso
...Tsy ela tsy akory dia indro!... Indreo!
Ireny izy roa toa moanan' ny ankaso
Ny endriny faly sy mirana iny
Toa fefik' indrisy ! asa nahoana?
Inoako, angamba ireo faniriany
Tsy azo hatohy ka indreo fa misaona!
...Dia nitohy ny nofy, toy izao ary izany
Angamba efa dila fotoana elaela
Indreny eny ihany ... fa faly aok' izany
Voakolony ihany ny sisa tavela!
Nofiko, hono, fa izy ankiroa
Niara-nisedra ny mafy fahiny
Indreny eny ihany...ka faly tokoa
Fa tojo ny tia sy fitia 'zay niriany.

, TSILOKO Madiny
--------
Rohy:
1944 0
Hevitra mandeha
vetsoko ( 21/01/2005 13:22)
eeehhh, dia ohatr'izany foana tokoa ny nofiko,indray andro any io tsy ho nofy intsony,amen
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : TSILOKO Mahadiny
Nampiditra : Iony
Daty : 20/01/2005 16:29
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103