TSY FANAHY INIANA (Kazary2006)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nahoana aho no mitia
Nahoana aho no tsy mahay tsy tia
Foko mihitsy efa adala
Sa te hiantso hoe malala ?

Dia odiana tsy fantatra
Satria ny fo hono tia
Na dia mandatsalatra
Tambezina ihany mba hiara-dia

Isan'andro aho mitory fiatia aminy
Fa isan'andro koa izany dia laviny
Misisika foana, tevatevaina
Indraindray mahazo te maina

Hiaretako ihany
Satria aho tia
Manantena aho indray andro any
Fa ianao mety mbola hitia

Izay no sisa mamporisika
Zakaiko foana na dia ahilika
Fa any andro any taona
Dia tsika roa mbola ho tafahaona

Fanantenako ihany izay
Tsy maninona ianao na dia malay
Satria ny fitiavana anjara
Sarotra tanteraina raha tsy mifanentana tsara

Io tsy mety raha aho ihany no tia
Fa mety tsika roa no voalahatra tsy hiifankatia
Tsy zakako fa mitony foana aho
Fa ny amiko tsy manino fa avelao
...
Na ihikitra aho ho tena tia
Iza no mpanapaka tsy ianao
Tsy ho tanteraka mihitsy izany satria
Tsy anjara ho ahy ny ho tiavinao

Fa aoka mba ho tadidy
Ny fitiavako dia sarobidy
Nafohiko ho anao nefa ianao tsy nividy
Fa io moa no ahy safidy
...
Enga anie ianao
Mba hitepo amiko ihany na dia hafiriana
Fa ny fitiavana hitiavako anao
Tsy mba fitia fanahy iniana


FK MAHAVITA : 20/10/2025
_______KAZARY_______
--------
Rohy:
158 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0117