Azonao (tsiolaka)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Azonao rombahina izay rehetra am-pelatanakodia azonao fongorina izay kely mba hananako
fa izaho tsy hiteny izany, sanatriaviko ny hamaly
tsy hanandra-tonombavaka aho na hiantso tody izany.
Azonao lotoina amin'ny resa-tsy manjary
ataovy ambetindresaka,omeo teny maharary
fa hangina aho tsy hiteny,toa ireny moana ireny
na sokajianao ho kanosa na sahalainao ho malemy.
Azonao ratraina f'izany aloha tsy ahoako
Avelako aza hanarana, hanimba izay ataoko
Fa ny tsy ekeko velively ary hany tsy andeferako
Ny mikendry hanisy ratsy ireto zanaka naterako.
Fa ireo tsy hananako havana,tsy ahalalako tiana
na iza na iza mamiko, raha ireo no mba tsiniana
tsy handalako fihavanana raha sendra ka tohinina
Raha ny ankoatra izay tsy ahoako fa ekeko tsy maninona
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana
Fans:
tsiolaka
