Fady (tsiolaka)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aza araraotinao ny fony nahatokyNy tody anie ka misy hamerina ny ankaso,
voaratranao ka ketraka ny sainy voasoloky
dia tomany anao mangina ,mioza ranomaso
Aza araraotinao hanaovana hevi-petsy
ny fahatsoram-pony nosetraina hevi-dratsy
fa izy anio milofika ,voafinganao ka resy
mahatsiaro latsa-nenina fa diso fiatsampy
Aza araraotinao handrobana izay ananany
sy izay kely mba kasainy iahiany an-janany
raha izy mba mifofotra hanatsara ny ho avy
Aza araraotinao satria izy miady irery
fady koa raha fady , tsy fomba velively
ny manao ampihimamba herimpom-behivavy
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana
Mpakafy:
tsiolaka
