Fetin'ny Maty (tsiolaka)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ity andronareo ity malaza
saingy fety tsy fombako akory
fa iezaka aho ny iarahaba
anareo maty izay tafavory

koa tolorana ny arahaba
Ireo ray izay mandositra adidy
sahy namela ho kamboty ny Zaza
nampitondra Ilay reny ny ngidy

Arahabaina ihany koa ireo reny
sahy nanary an'ireo taranany
nifidy hanaraka Ilay vadikely
ka nisorona ny hoavin-janany

arahabaina ombieny ombieny
ireo tsy menatra manosohosy
manao mpamosavy malemy
mandany ny anjara(n'ny) kamboty

ireo manosy ny mananontena
ireo mpivarotra ny tanindrazana
mandroba ny harempirenena
ireo Ilay Maty tsy lasan-ko razana

koa dia arahabaina ry Ilay maty ireo
arahabaina fa fetiny androany
tsy te hamangy ny fasanareo
fa toa ...
tsy misy voninkazo mety haterina any
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
86 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : tsiolaka
Nampiditra : tsiolaka
Daty : 01/11/2024 17:53
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014