Fo maditra (tsiolaka)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Baliaka aoka izany Ilay diavolan-takariva
Dia lasalasa teo Ilay saiko nahatsiaro
fa misy endrikendrikao Ilay mamiko iny indrindra
misoritra amin'ny endriny ka revo aho nikalo

Nihira Ilay fitiavana miredareda fatratra
tsara taniky ny masonao toa habakaba manga
Fitiava-maninteraky ny tsikinao miraratra
Soritr' endrikao no tazako amin'ny volana mitranga

Fa mamy loatra ianao ,eny satriko ho banjinina
Anaty volana tomaratr'ilay alin'ny ririnina
satriko dia satriko akaiky ho fihinina
ilay angetsan'ny fitiavako ,tsy vatrako ampanginina

Ny marina azoko antoka ,maditra be ny foko
Babon'ilay hatsarana notinefin-janahary
Maniry te hisambatra , mitia an-tsokosoko
Dia injao reko fa manonja mitriatra sy maharary
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
88 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : tsiolaka
Nampiditra : tsiolaka
Daty : 27/09/2024 17:07
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014