meteza hafarako (tsiolaka)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry voro-mandalo miserana irony'ndeha ho aiza no rifatra,dodona mafy
ivilio ilay malala tsy mahatsiaro intsony
f'lay tokany aty tsy mahay mampirafy
Meteza hafarako kely retsiana
Lazao fa ny tia hoe ka manina foana
Ilay fitiavana anie ka tsy mety mangina
fa efa nivoady ny ho antaranoana
Tsory aminy fa raha 'zany alaheloko 'zany
Dia satriko anidina ,hifehy vatsy
saingy aleoko miforitra anaty tomany
Sao manina olon-tsy manina mantsy
ry voro-mandalo mba jerijereo
raha olonkafa no nasolony ahy sanatria
Dia ity no hafatra ataoko anareo
Aza lazaina azy akory ity hafatro ity
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana
Mpakafy:
tsiolaka