sao tsy rariny! (tsiolaka)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
zandry a! iny zanak'olona iny lehitsy aza anaovana antsojay anitia tamin'ny fony izy ,nikasa hoe mandrakizay
saingy izao izy mangaina fa ialahy ilay tena ilaina
no nandratra ilay fony itambesaran'ny taraina
Sao lahy mba tsy rariny !
zandry a! ny zioga nemenao hiantsorohany tsy laitra
ketraka ny fony, f'ialahy ilay tena tiany no nampigoka ny mafaitra
ny johin-dranomaso manorika ny tavany tsisy afaka manony
fa ankona tanteraka ilay fanahiny tomany, mitany koa ny fony
Sao lahy mba tsy rariny !
zandry a ! iny zanak'olona iny lehitsy ialahy no nandrandrainy
nefa ialahy ilay nitokiany izao no toa maharitra ny ainy
izy raha nitia Dia tena tia tamin'ny fony s'y fanahy
efa n'y aminy manontolo no nitiavany an'ialahy
Sao hoa mba tsy rariny !
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana