Tamin'ireny (tsiolaka)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
tamin'ireny aho mbola very raikatsy nahatsiaro izay oran-ko ho avy
ka na dia nigoka ny ngidy mafaitra
dia vao kinopaka dia indro fa avy
tamin'ireny aho tena mbola niliaka
tsy nahatsiaro masoandro nihilana
voasodokan'ny tarehy amam-bika
ka solafaka tam-pandronjinana
tamin'ireny mbola adala sy kentrina
norendreham-pamindra midanoka
sondrian-dravoravo natentina
sy filoditra mahatama-mianoka
tamin'ireny aho...! fa izao efa taitra
koa aza itsahina hariva ny lambako
ndrao hanotretrika hanata-jaitra
somaradimbana ho potra-tsy tanako
--------
Lien:
Catégorie :
Ahy
Fans:
tsiolaka
