Tatamo (tsiolaka)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tatamo anie aho ka tatamo,
Tatamo amparihin-dRasahala
Sahy midola eny anivon-drano
Toa angetsan'ny toka-malala.

Fa haingon'ny rano maria
Fitosian'ny vorona Anosy
Finaretan'ny mpifankatia
Fiangotian'ny rivo-mpitosy

Mpanainga fanahy hiampita
Hilaza fitia tonga fatra
Tononkiran'ilay Solemita,
Sasin-kira fanaon'ny mpanjaka

Tatamo anie aho ka Tatamo,
Firentin'ny dobon'andriana
Miendri-po mifangia te himamo
Voninkazon'ny tia sy ny tiana.

Miakotso hatsarana mamiratra
Mianjaika sy meva filatro
Fatratra no sady lilatra
Mahasarika, manaitra maso

Tatamo Ilay miavaka anarana
Manan-toetra ,fanahy kanto loatra
Ny marina ! ...ianao Ilay niangarana
Tinefy hatsaran-tsara voatra
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
99 1
Mpakafy: tsiolaka
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : tsiolaka
Nampiditra : tsiolaka
Daty : 27/09/2024 17:03
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146