Tena Namana (tsiolaka)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Sendra tratra hariva tan-dala(na) mampimalo
Raha nanjenjena irery ity vahiny oriory
No tojo ny hetraketraky ny tanam-pahavalo
Nikasa hanafak'aina hampizaka ny lonjony
fa sendra lako tampoka...
ka lavo niakarapoka ...
Raha sendra mba nandalo 'reo mpitondra fivavahana
Nahita ilay vahiny toa efa trotraky ny vono
Dia niodina malaky,niolomay, nivily lalana
Nanao sary tsy nahita fa sahirankirana hono
nandositra ny atambo...
sao voasafeli-drambo...
Nandalo ihany koa reo namana sy havana
ireo niaraka nihinana ny manta sy ny masaka
Fa saingy niolonolona ary koa nanavangavana
Nirintona niala sy mody tsy nahafantatra
nanao anakampony...
hoe tsy namana intsony...
Soa ihany fa nivily raha vantany nahatazana
Ilay malaza ho mpandrongony ary tena mpandry an-tatatra
niezaka nizara na dia sakafo ambilom-bazana
sitrany ahavonjy Ilay olona tsy fantatra
tsy tapaka tsy namana...
fa dia nandray an-tanana...
Tsiolaka
170524
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
137 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : tsiolaka
Nampiditra : tsiolaka
Daty : 07/06/2024 23:24
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151