Vely rano (tsiolaka)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
taona dimanjato ,volana fahafito Andro efatra ambinifolo
indro zazavavy rano misalotra ny lamba fisalobonan'ny maraina
mitsivaka manaraka ny hazakazaky ny tselatra hahamaoty ny tontolo
mantsy io mandrahona ady ,manakora i leviatana mikasa ny haningotr'aina

injao nivava koa ny tany ka nitrebon-tsasak'alina ilay ranon-jazalahy
notronim-pafin'ny havandra milarolaro ranoafo mikisarin-dela telo
tsy re fipaika ny famindra sy godon'ny fananolahy
mijaiko behemota miery ankatakonana eo ambaravaran'helo

nirakotra ny haizina ireo toeram-pamoloana , tsisy intsony fararano
fa notazam-behivavy ilay hazo mahahendry ,mamerovero tsara hanitra
raha nanao fianianana handrobo ankafetsena ireo galonan-drano valo
ka haniteraka safiotra handoto zava-masina ireo zanaky ny lanitra
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
154 2
Mpakafy: ZavonaRakoto - tsiolaka
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : tsiolaka
Nampiditra : tsiolaka
Daty : 10/11/2025 11:05
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0144