ANTSO (Tsitohaina Mamitiana)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANTSOEkeko Ray ny fiantsoanao ahy,
Dia sahaza tsy tapaka tokoa.
Ekeko satri tena fitiavanao ahy;
Ny antso rehetra dia tsampa mahasoa.
Fa ny sitrakay,dia zava-poana ihany,
Ka aoka ianao no anjaka ao tokoa.
Ary koa mba hitoetra ao am-po
Satri ny eto dia fandalovana ihany.
Ekeko ny fitondranao ahy,
@ fahatanorako sy ny androm-piainako
Ka na dia maro aza ireo fankam-panahy
De ianao no hanazava ny lalako
Ekeko ny fiantsonao ahy,
Ka ny fahavalo mamandrika ahy ety.
Tsy maintsy resena f'ianao no momba ahy;
Tsy iza izany fa i Kristy....
--------
Rohy:
Mpakafy:
Andrinaivopaul2016
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tsitohaina MamitianaNampiditra : Andrinaivopaul2016
Daty : 19/01/2017 17:08