HAFATRA (Vahatraina Oméga)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HAFATRA

Volana o!
O! ry volana ambony,
Mba jereo re ity fo tsy mitony,
Mahatsiaro ilay Tany niaviana,
Ilay ankany mbola hitodiana.

Embona, sentosento tsy tana
Mahatsiaro ireo any an-tanàna,
Volana o! mba lazao any izany,
Fa izaho anie ka misento tomany.

Ho avy hoe tsy ho ela fa andraso,
Hihaona soa samy hifanatri-maso,
Ho fenoina ny banga hatrizay,
Rehefa tody Antanindrazana indray.

Volana o! mba lazao any izany,
Ianao irery no mahita ny any,
Tsy andriny hoe ny ahitana anareo
Ka ho tsiky indray no ho solo-toreo.

Vahatraina Oméga (Zozoro-Vero)
--------
Rohy:
1257 0
Hevitra mandeha
bazylou ( 25/08/2008 01:50)
mety ka
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0093