MBA VOLANA HONO AHO KA VOLANA !... (Vahatraina Oméga)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MBA VOLANA HONO AHO KA VOLANA !...


Mba volana, hono, aho ka volana! ...
Volana manangasanga iny rehefa hariva
Hiarahaba ny tany efa hangina madiva
Hitsinjo izay aminao eny amin'ny tany rehetra
Volana manangasanga hitazana anao tsisy fetra.

Mba volana, hono, aho ka volana! ...
Volana manganohano eny amin'ny lanitra tony
Ontronin'ny kintana maro sy ny vahan-danitra irony
Hitazana anao ary eny, hitsinjo ny any amintsika
Volana manganohano, volana feno sariaka.

Mba volana, hono, aho ka volana! ...
Volana soa sady kanto mahita ny tsy hita fara
Volana iantefan'ny vetson'ny miaina voambara
Handray izay mba embona kely mipongatra avy ao aminao
Volana soa sady kanto hitaratra ny fiainanao.

Mba volana, hono, aho ka volana!...
Volana mandefa tsiky ho taratry ny hafaliana
Mahita ny endrikao soa, mibanjina anao olo-tiana
Ny ankason'ny raho-mivory, tsy mba haharitra izany
Volana mandefa tsiky, tsiky ho anao any ho any.

Mba volana, hono, aho ka volana! ...
Volana mamafy soa ny tendro sy ny lohasaha
Volana koa hanazava ny ankizy manao fampitaha
Mandoko ny rano an'ony, andravaka ireo tora-pasika
Volana hamafy soa izao rehetra izao midadasika.

Mba volana, hono, aho ka volana! ...
Volana mba hanazava ny ala sy izay ao aminy
Hatoroko anao avokoa ny ny hakanton'irony hamaminy
Ny fomban'ny biby rehetra, ny vorona tsara tarehy*Volana mba hanazava ny endrikao tiana hiomehy.

Mba volana, hono, aho ka volana! ...
Volana faly mihaino ireo hiranao tena kanto
Volana faly mandre ny feonao milantolanto
Volana hitazana hatrany ny endrikao tena sariaka
Volana mba hanazava ny toeran'ny Fitiavantsika.

Zozoro
--------
Rohy:
1322 0
Hevitra mandeha
benasy ( 09/04/2009 09:32)
"Raha mbola tsy àry akory ny vatanao malia
Dia efa niantso anao ny kalo sy ny hira...
Fiainan'ny poeta , fiainana an-dakira..."
hjravs ( 17/04/2015 05:34)
nefa hoy Rado:
Volana mpamitaka iny,
f'efa maro ny kamory no nirakitra ny sariny
kanjo teo dia nidifiany
ka alon-dranomaso sisa no lanjain'ny fo marariny.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Vahatraina Oméga
Nampiditra : Zozoro
Daty : 06/04/2009 20:44
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0124