Adinoy (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nahoana indrisy no dia mitaraina,Misento mangina no sady tomany;
Ny ambadiky ny alina anie ka maraina e,
Ny rahona sy aizina hisava ihany.
Nahoana ankehitriny no handany fotoana,
Amin'zay ranomaso ho adino rahampitso;
Amboary ny saina hatanjaka foana
Hameno izay banga sy hanitsy ny diso.
...
Dory avokoa ireo diary mirakitra,
Ny alahelo sy sento #navelany_ho_anao.
Zotra hafa indray no ekeo mba handrafitra,
Ny lalam-piainana hizoranao!
Vonjisoa Andjanirina
--------
Rohy:
Sokajy :
Fanampiana
Mpakafy:
Lasyiray
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)Nampiditra : Lasyiray
Daty : 15/03/2024 15:34