an'ny namako (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
An'i namako.

Tsy zandry mahazoky fa
Namana mahatoky, tsy fantatra fihaviana,
Tsy mba isanisan'ireo fianakaviana,
Kanefa tena tia, no sady tena tiana fa
Mpitondra fifaliana.

Rehefa Ilana toky dia
Mipetraka ho zoky, manoro sy manampy
Sy manome courage rehefa ady mafy,

Rehefa injay indray ka mila tambitamby dia
Mipetraka ho zandry,
Sy mihantahanta kely, tsaroako etoana izany
Ka tsapa ho tena mamy.

Omeny fitokiana,
Raha misy ny adiady, amin'ilay fitiavana,
Izy ihany koa no mitoetra ho olotiana,
Mamafa ny alahelo amin'ireo karaza-tsangy,

Tsy fotsiny izy zandry fa
Mpilalao faharoan'ilay fiainan-tsarimiainako,
Ilay hany fitarainako,
Ny mamy sy mangidy atolotr'ito fiainako
No iarahanay mitondra.

Mahalala izay sahala,
Mipetraka ho tiana no sady koa malala,
Mipetraka ho zoky, mipetraka ho zandry,
Miara-adaladala sy mifanangisangy,
Izy aloha no tiako raha mbola tsy eo ny zanako,
Dia ilay tena namako.

Vonjisoa Andjanirina
(11/02/2026)
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
34 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0126