Any ho any (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Any misy fo miaina fahasambarana
Miaina fifaliana mamihina ny tiany,
Fa any ho any kosa misy niangarana
Hiaina fisarahana lazoin'ny fijaliany.

Any misy aina tsaboina fa marary
Sy arovana tsy ho faty ny tenany sy ny ainy,
Fa any ho any kosa misy iray tsy faly
Ka te hamono tena no masaka ao antsainy.

Any misy mpanana mifidifidy harapaka,
Manary ny ambimofo ho any anaty fakony,
Fa any ho any kosa misy aina tapaka
Mamadi-jaoridira vao mahita izay sakafony.

Any misy momba nidifian'ny lahatra
Maniry mba hitaiza kanefa tsy mahita,
Fa any ho any kosa misy tsy mitsahatra
Mamono sy manaisotra ny zanany efa vita.

Any misy mpianatra te hiato f'efa kamo
Ny hiasa saina lava ka malaina hivoatra,
Fa any ankafa misy iray manganohano
Mbola te hanohy fa tsy afaka manoatra.

Any misy moana maniry mba hiteny
Hilaza ny ao ampony s'izay faniriany.
Fa nyaan'ny hafa kosa dia mbola misy ireny
Manankolazaina mifidy koa ny hangina.

Eny any misy te hikasa sy maniry
Hanao izay tratry ny heriny mandritra izany fiainany,
Fa any ankafa kosa dia maro ireo mikiry
Mametraka ny teboka nohon'ny fahalainany.

Vonjisoa ANDJANIRINA (10.05.2026)
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
60 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Nampiditra : Vonjisoa-Andjanirina
Daty : 14/08/2026 08:53
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0114