Aza manontany (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aza manontany ny zavatra efa fantatraSatria ny fiainana eto tsy zava-baovao
Fa io no vodilanitra mosarena taratra
Tsy akory mahafaritra ny taona iainanao.
Efa nisy ve ny andro niainanao
Hoe ririnin-dava tsy nisy fitsaharana
Na kotrok’orambaratra, etsy hoe lazao!
Voafetra ihany ireny ka tsy ela dia nifarana.
Adinonao angaha, fa ny rafitr’ora etoana,
Ny andro sy ny maizina no mifanolosolo,
Ireny no mitambatra mirafitra ho fotoana,
Dia toy izany hatrany no lalan’ny tontolo.
Tsy nisy velively izay masoandro lasa nody
Izay dify ka tsy hita fa nianandrefana any,
Raha tonga ny maraina ka indro tsy nimpody
F’hiverina hanazava ho hitantsika ihany.
Ka ny ali-maizim-piton’ny ririnina mangitsy
Zay noheverinao ho tsy manam-piafarana,
Omeko toky ianao fa afaka andro vitsy
Ho dify takona any, hisolo hazavana
Ka n’inona handalo, dia ho azonao an-tsaina
Fa n’inona fikittroky ny aizim-pito etoana
F’aorian’ny alina dia hisy ilay maraina
Fa ny hafatro aminao dia mahereza foana
Vonjisoa ANDJANIRINA
--------
Rohy:
Sokajy :
Fananarana
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)Nampiditra : Vonjisoa-Andjanirina
Daty : 17/08/2026 17:45
